sampana vehivavy ato amin'ny FKMSM
(Fiangonana Kristiana Malagasy aty Soisa sy ny Manodidina)
- Sabotsy 27 janoary 2018 - Minzier
raki-tsary

Faly miarahaba anao ny fikambanam-behivavy ato amin'ny FKMSM.

Mirary soa sy fahasalamana ary fanambinana ho antsika Vehivavy Fanasina rehetra eo ambany fahasoavan' Andriamanitra.

Ny tanjon’ny Vehivavy-Fanasina dia : fiarahana mahafinaritra sy fifankahalalana  ary indrindra mba hisian'ny fifandraisana sy firaisankina ato anatin’ny Fiangonana FKMSM eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

Natao ity tranon-kala ity izany mba hifandraisana sy hifampitana vaovao na ho antsika eto an-toerana na ireo namantsika any lavitra.

Izay manana hevitra mbola hanatsarana sy hampandrosoana ny fikambanantsika ary ny tranokala dia raisina an-tanan-droa.

Raha mbola misy adresse mail fantantsika ka tsy ato anatin'ny lisitra-fikambanana dia miangavy mba handefa izany @ komityfanasina@yahoo.fr

Dia mirary soa ho antsika vehivavy rehetra.

"Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina" Oha 31-30.

Komity fanasina
komityfanasina@yahoo.fr



Faly miarahaba anao nahatratra ny taona vaovao 2018.
Ho taona zinan'ny fahasoavan'ny Tompo ho an'ny asa sy ny fiainanao isanandro anie ity taona ity.
tohiny >>

tohiny >>

fotoana manaraka
FANASINA
"Ianareo no fanasin'ny tany ..." (Mat 5:13)


Fihaonana Yverdon
12 martsa 2016
tohiny >>

Fihaonana Lausanne
28 janoary 2017
Fitsidihana ny Musée International de la Réforme (MIR) - Genève
25 martsa 2017

fanasina © - Tous droits reservés

website statistics